Noho ny fitandroana hatrany ny ain’ny mponina mba tsy hilatsaka tsy nahy any anatin’ireny « dalle » tsy misarona ireny,
indrindra ho fitandroana hatrany ny fahadiovana sy ny filaminan’ny tanàna, dia nanarona efatra teny amin’ny boriborintany faha-4 ao anatin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny talata sy alarobia 19 jolay ny tompon’andraikitra. Niezaka hatrany izy ireo nampiasa izay teo am-pelatanana na kely aza ny hoenti-manana. Nambaran’ny tompon’andraikitra fa afaka iray volana vao mahavita sarona vaovao, ary amin’izay no hametahana ny sasany tsy vita. Ankoatra izay, nanatanteraka asa fanadiovana lakandrano tsentsina ihany koa ny teny amin’ny boriborintany faha-4, teny amin’ny faritra RN7 sy RN1 Anosizato. Lalankely iray dibo-drano eo ampitan’ny biraon’ny boriborintany ihany koa no novonjena namboarina haingana. Miparitaka manerana io lalankely io mantsy ny rano maloto ary nalana ireo fako manentsina ny lakandrano.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.