Loto, fofona, fotaka no hita mameno ny tanàna eny Andravoahangy tsena manoloana ny CSB II rehefa vanim-potoanan’ny fahavaratra tahaka izao.
Izany indrindra no nanosika ny boriborintany fahatelo nidina nanao fanadiovana teny an-toerana omaly ka olona 40 no nandray anjara tamin’izany, niaraka tamin’ny ekipan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Nesorina avokoa ny fako rehetra teny an-toerana. Nentanina mba hitandro ny fahadiovana ihany koa ka hanary ny loto avy hatrany any anaty dabam-pako ny mpivarotra. Nalamina ihany koa izy ireo haka sisiny sy hiditra anaty tsena mba tsy hanelingelina ny fifamoivoizana. Hisy ny fepetra horaisina mikasika ny toerana malalaka izay zary lasa nataon’ny olona fanariam-pako sy fivarotana eny an-toerana izay vinavinaina hohidiana sy hasiana mpiambina mihitsy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.