Actualités

«Croix Rouge» Malagasy Nilŕna vahiny ny fanasana ny lamba maloto


  • Alarobia 07 Jolay 2010

Voasasa tao an-trano ny lamba maloton’ny fifanolanana niseho lany teo anivon’ny «Croix Rouge» Malagasy.

Fanambarana heno teny Ambohimanambola ny talata 6 jolay teo izany raha namory mpanao gazety ny fianakaviamben’ity rafitra malagasy ity niaraka tamin’ireo solontenan’ny foibe avy any ampitan-dranomasina. Tsy vitan’ny samy Malagasy teto an-toerana, araka izany, ny famahana ny olana fa niantsoana vahiny avy any ivelany mihitsy dia ny solontenan’ny «Croix Rouge» maneran-tany, Rtoa Bana Oanda teratany borkinabe ary i Roge Baker izay delegen’ny «Croix Rouge aty amin’ny Faritry ny Oseana Indiana. Rava avokoa, araka ny fanazavana azo, ny fifampitorian’ny samy tompon’andraikitra malagasy napetraka eny amin’ny fitsarana. Ny fivoriamben’ireo mpikambana 30 amin’ireo 32 ao amin’ny komity foibe niaraka tamin’ireo vahiny ireo ny alatsinainy 5 jolay no nanapahan-kevitra tamin’izany. Miverina amin’ny laoniny avokoa, araka izany, ny fitantanan-drahararaha ao amin’ity rafitra ity ka hanapitra ny taom-piasana hifarana afaka 8 volana ny filohan’ny komity nasionaly am-perinasa Atoa Rakotondranja Claude. Nampiharina ara-bakiteny ny filamatry ny fikambanana izay mifototra amin’ny singan-kevitra 7 : («humanité», «impartialité», «neutralité», «unité», «universalité», «Indépendance» ary «Volontariat»). Tsara ny manamarika fa na dia nangetahetaka fanontaniana maro tamin’ireo Malagasy mpifanandrina teo aloha aza ny mpanao gazety dia tsy nisy afa tsy Rtoa Bana Oanda irery ihany no nahazo namaly ny fanontaniana rehetra, ho fanajana ny rafitra mipetraka.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

  • SAVOROVORO TENY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

AMIN'NY 67 HA

  • HERISETRA AMIN’NY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

MAHALAHY SY MAHAVAVY

  • Saran'ny fampiasana "drones"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Mahatratra 1 560 000Ar hatreto...

  • Firosoana amin’ny
  • Alarobia 29 Aprily 2026

fampiasĂ na nomerika

Hijery ny tohiny
FTT