Actualités

Coutiti Assolant Misy andia-miaramila miaro azy


  • Alarobia 01 Desambra 2010


Nisy fivoriana izay notontosain’ny miaramila am-polony ny alin’ny alatsinainy teo tetsy Faravohitra ary mahakasika indrindra ny vono nahazo ny Kly Coutiti no nodinihina tamin’izany. Nilaza ireo mpiray andiany tamin’io kolonelin’ny 2ème RFI io ka nandray anjara tamin’ilay fivoriana fa tsy eken’izy ireo intsony ny fikasihan-tanana an’i Coutiti Assolant. Nilaza ihany koa ireo fa hihetsika avy hatrany raha sanatria ka mitohy izany ary indrindra koa raha sanatria ka misy ny fahafatesan’io namany io. Mbola tamin’io fivoriana io ihany koa no niara-nanapa-kevitra ireo mpiara-mivory fa hanohana ny fikasan’ireo vadina manamboninahitra izay voatana am-ponja ankehitriny noho ny raharaha BANI. Ireo renim-pianakaviana ireo dia nangataka fihaonana amin’ny ministry ny fitsarana amin’ity herinandro ity ary mahakasika indrindra ny tsy fanajana ny zon’olombelona nandritry ny fisamborana sy ny fitazomana ireo vadiny no tena anton’ilay fihaonana ity, araka ny fanampim-baovao azo hatrany. 

r.d
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT