Mandalo fotoan-tsarotra ny Firaisamben’ny Sendikan’ny Mpiasa Malagasy Revolisiona. Miseho amin’ny endrika maro isan-karazany mantsy ankehitriny ny fanenjehana ireo solontenan’ny mpiasa eny anivon’ireo orinasa samihafa toy ny PLG, Clinique des Sśurs, Lame Electrique,
Vitafoam sy Tsaratina izay miafara amin’ny fandroahana ireto farany. Mahatsapa ny fanaparam-pahefana avy amin’ireo mpampiasa rahateo ny foibe FISEMARE. Manjakazaka amin’ny fanaovana ny tsindry hazo lena miaraka amin’ny fanosihosena ny lalàna mifehy ny Asa ireo lehibe mpitantana orinasa izay manitsaka tsotra izao ny lalàna velona manan-kery eto Madagasikara, hoy ny birao foibe notronin’ireo solontenan’ny mpiasa nijoro vavolombelona niharan’ny famindran-toerana bontolo na fandroahana tsy ara-dalàna teny Ankadifotsy omaly. Tsy mahatoky intsony ireo tompon’andraikitra sasany ao amin’ny minisiteran’ny Asa natao hampihatra lalàna lasa mpiray tsikombakomba amin’ireo mpampiasa ny FISEMARE. Mitaky ny fandraisana fepetra hentitra mikasika ny fanenjehana ireo delegen’ny mpiasa sy ny tsy fanajana ny lalàna eto amin’ny firenena miaraka amin’ny fampijoroana haingana ny «Conseil National du Travail» ihany koa izy ireo ary hitondra ireo raharaha ireo eny amin’ny fitsarana misahana ny asa sy any amin’ny «Commission de la liberté syndicale BIT».
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.