Actualités

Compagnie Malagasy Textile Tsy mahazo fialan-tsasatra amin’ny fety, nitokona ny mpiasa


  • Alarobia 06 Desambra 2017

Nitokona nanoloana ny vavahadin’ny orinasa afaka haba Compagnie Malagasy Textile ( CMT) eny Ambohimangakely avokoa, omaly, ireo mpiasa ao aminy.

 Anton’ny fitokonana, araka ny fanazavan’ny solontenan’ireo mpiasa, dia noho ny tsy fanajan’ny tompon’ity orinasa ity ny zon’ireo mpiasa ao aminy izay efa mahatratra 3.000 mahery. Anisan’izany ny tsy fahazoan’ireto farany  fiatoana mandritra ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona ho avy izao. Eo ihany koa ny fahakelezan’ny karama, nefa miditra amin’ny 7 ora sy fahefany maraina ka hatramin’ny 6 ora hariva isan’andro. Tsy mba misy fotoana hakana aina mihoatra ny 15 minitra koa, amin’ny antoandro, fotoana hisakafoanana. Ankoatra ireo dia mitaraina fatratra ny amin’ny tsy fahazoany “repos” ihany koa ny mpiasa rehefa marary sady tsy mahazo fanafody afa tsy  “paracetamol”… Feno, araka izany, ny kapoakan’ireto mpiasan’ny orinasa afaka haba CMT  ireto, ka nitaky ny zony izy ireo. Raha ny fantatra dia fandrahonana horoahina  hatrany no mahazo ireto mpiasa ireto, raha vao misy fihetsika ataony, toy ny fampiasana finday ao am-piasana, ohatra. Tsiahivina fa mpitandro ny filaminana maro no nameno ny vavahadin’ity orinasa afaka haba iray ity. Tsy nety niresaka tamin’ny mpanao gazety ihany koa ireo tompon’andraikitra ao aminy.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT