Actualités

Collectif des Journalistes Malgaches Maneho firaisankina amin’ireo haino aman-jery rahonana hakatona


  • Talata 23 Novambra 2010

Manoloana ny fikasana na fandrahonan’ny ministeran’ny serasera hanidy na hanakatona haino aman-jery dia maneho ny firaisankinany amin’ireo haino aman-jery ireo ny Collectif ary dia miantso ny fanjakana mba hamaritra ny sata ara-dalana amin’ny fanatanterahana ny asa.

Rehefa tsy misy manko sata na sehatra ara-dalàna hiasana dia miverina any amin’ny sivana, ny hevitr’olon-tokana, ny fanamelohana ireo mpiasa eo anivona orinasan-tserasera ny zava-misy. Ny hahamatihanina no tanjona ho an’ireo orinasan-tserasera sy ny vondron’ireo matihanina toy ny an’ny ministera ihany koa. Araka izany, araka ny fanambaran’ny Collectif dia tsy ho vahaolana amin’ny olana ara-tserasera misy eto amintsika ny fandraisana fanapahan-kevitra mahery vaika toy ny famoretana. Misy fahasamihafana, hoy ihany ny Collectif ny fitaterana ny zava-misy iray. Manoloana izany dia tokony hanome izay taridalana ny amin’izay ho fandaharan’asany, ny andraikitra ho raisiny, ny antony hanakatona orinasan-tserasera iray, fandrahonana izay avelan’ny ministera mihazohazo eo amin’ity sehatra ity amin’izao fotoana izao. Ny fanakatonana orinasan-tserasera rahateo, araka ny fanazavana ihany dia fihetsika mamohehatra ho an’ny toekarena satria hampitombo isa ireo very asa. Ankoatra izay anefa dia hanosihosy ihany koa ny zon’ny olona hahalala vaovao, zo fototra mahaolona. Miandry izay ho fihetsiky ny ministera moa ny Collectif des Journalistes Malgaches manoloana izao zava-misy eto amin’ny firenena izao. 

 
Nangonin’i Soa
 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT