Nalaza teny amin’ny Lapan’ny Antenimieram-pirenena teny Tsimbazaza, omaly talata, ny fandinihana nitambarambe niaraka tamin’ny PNUD, CR ary ny Focus Developpement
. Nojerena daholo tamin’ity fihaonana ity, hoy ny depiote Ravahimanana Guillaume filohan’ny Vaomieran’ny raharaham-bahiny malagasy, ny amin’ny « Code de nationalité » na ny zon’ny olona na teratany mipetraka eto Madagasikara tamin’ny ambangovangony satria marihana, hoy izy, fa izany « Code de nationalité » antsika izany dia efa karazany lany andro , ka matory tanteraka satria ny efa tamin’ny taona 1960 no mbola hampiharina ankehitriny ka tokony ho velomina ary ny famelomana azy dia manaraka ny toetrandro ka ahitana taratra ny zava-misy any ivelany any ankehitriny. Tokony ho jerena avokoa izany ny amin’ireo olona teraka teto, nanambady teto, nipetraka ela teto sns… ka tsy maintsy ahitana valiny ny olan’ny rehetra satria manana ny zony avokoa izany olona rehetra voalaza izany ary manana adidy koa eto amin’ity firenena ity.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.