Vinavinan’ny «Centre national de télé-enseignement de Madagascar» ny hanokatra ny fampianarana solosaina taona faha-5 manana ny maripahaizana «master 2» amin’ny taom-pianarana ho avy 2015-2016. Hanatrarana io tanjona io ny fisokafan’ny fisoratana anarana ho an’ireo liana handalina ny tontolon’ny
hairaha avo lenta taona faha-4 na «master 1» manomboka amin’ity herinandro ity, hoy ny tale jeneralin’ny ivontoerana Rakotondramparany Sylvain. Misedra olana eo amin’ny lafiny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa ihany koa anefa ny Cntemad ka niezaka tamin’ny herin’ny tenany manokana nanangona tahiry efa an-taonany maro izao. Nody ventiny ny rano nantsakaina ka miroso amin’ireo asa goavana fanorenana fotodrafitrasa misy rihana ahitana efitra maromaro hamaliana ny filan’ny sekoly ny mpitantana ankehitriny. Azo hampivondronana ireo mpianatra, hanovozana tahirin-kevitra ary koa famakian-boky ity toerana vaovao eny Ambatomitsangana eritreretina hampiasaina manomboka amin’ny taona ho avy ity.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.