Tsy mbola nisy hatramin’izao ny tatitra ara-bola avy amin’ny CNOSC momba ny fanatanterahana ilay dinika politika teny Vontovorona nandritra ny herinandro sy ny tetibola nampiasainy rehetra tamin’ny asa nataony mialoha io dinika io.
Ny hany fantatra dia neken’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny hetsika nataon’ny CNOSC ary firenena sy fikambanana avy any ivelany no namatsy vola azy. Tsy mandeha ho azy tokoa mantsy ny asa fanelanelanana tahaka ireny fa tsy maintsy manana tetibola hanatanterahana azy, mba hahafahan’ny mpikarakara mividy ireo fitaovana ampiasaina tahaka ny solosaina sy ny taratasy ary ny penina. Eo ihany koa ny hofan’ny toerana, hanatanterahana ny fihaonana, ary ny vola lany amin’ny fivezivezena, ny hofan’ny fiara sy ny solika lany. Azo antoka fa tsy maintsy misy ihany koa ny karazana tambin-karama ho an’ireo olona nampiasain’ny CNOSC, satria tsy ho vitan’ireo mpikambana vitsivitsy tao amin’ny birao ny hanao ny asa rehetra, fa tsy maintsy niantso olon-kafa sy teknisianina izy ireo. Miandry io fanaovan’ny CNOSC ny tatitra momba ny fandaniam-bola nataony io ary ny rehetra amin’izao fotoana, satria dia anisan’ireo nanakiana mafy ny CSR-AN tamin’ny tsy fisian’ny mangarahara tamin’ny fiavian’ny loharanom-bola nahafahany niasa sy ny nandaniana izany, tamin’ny fikarakarana ireo fihaonambem-paritra i Serge Zafimahova izay anisan’ny mpikambana ao amin’ny CNOSC.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.