Actualités

CNME Ambohibao Ritra am-pitoerana ireo «bois de rose» natoby tao


  • Alarobia 12 Mey 2010


Mitohy hatrany ny fanondranana an-tsokosoko hazo sarobidy saingy ny endriny fotsiny no miovaova kely. Iray kaontenera indray no sarona tao Brickaville omaly. Nentina tamin’ny botry io ary teny ambony ranomamy no nahatrarana azy. Nahagaga ny maro ny fisian’ity botry nandeha tamin’ny ranomamy ity satria tsy mbola fahita mihitsy teo an-toerana. Io no nanaitra azy ireo hampandre ny zandary tao an-toerana. Nandray ny andraikiny avy hatrany ireo mpitandro ny filaminana nanajanona ilay botry sy nisambotra ny olona tao anatiny. Ny fanadihadian’ny zandary no nahafantarana fa saika halefa any amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ireo hazo sarobidy ireo. Any indray dia efa misy sambo hafa miandry fotsiny. Io no mitondra ireo hazo mivoaka an’i Madagasikara rehefa avy eo. Mifandraika amin’ity resaka fanondranana ity ihany dia fantatra ihany koa fa efa «miha ritra» tsikelikely ireo hazo sarobidy “saisi” ka notazomina ao amin’ny biraon’ny CNME etsy Ambohibao. Misy mamoaka tsikelikely amin’ny alina ireo hazo ireo raha araka ny fantatra. Misy fiara mitatitra raha ny marimarina kokoa. 

R.D

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT