Synodam-paritany roa dia Atsinanan’Ankaratra Fahazavana na ny SPAA 38 sy ny Synodam-paritanyAndrefana Atsimon’Ankaratra Miara-dia SPAA8 no nahazo fiofanana avy amin’ny tahirim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy (CNaPS) nandritra ny roa andro tao amin’ny SAF FJKM /AkanyVohitsoa FOFIAF/Ambatolampy ny 12 sy 13 desambra lasa teo.
Nahatratra 128 ireo mpiofana nahitana mpitandrina, fari-piadidiam-pampianarana ary ireo mpampianatra mpikambana CNaPS rehetra sy ny mpandraharaha avy amin’ny Synodam-paritany izay misahana ny maha olona. « Be dia be ny mpiasa tsy nahafantatra ny zony aty Ambatolampy sy Antsirabe ka dia tena nilaina ny fiofanana avy amin’ny CNaPS », hoy ny prezidà synodaly SPAA 38 ny mpitandrina Nirinarison Emile Johnson William satria antony mahatonga ny mpiasa tsy manao zava-dehibe ny CNaPS ny tsy fahafantarana ireo tombontsoa azo aminy. Ho an’ny sehatry ny fiangonana dia 8 %-n’ny latsakemboka aloan’ny mpampiasa dia ny fiangonana na ny sekoly FJKM ary 1% kosa no miala amin’ny karaman’ny mpitandrina na ny mpampianatra eny anivon’ny sekolim-pinoana. Mba hialana amin’ny fahatarana amin’ny fanefana ny adidy eny anivon’ny CNaPS dia manana lamina manokana ny Synodam-paritanyAtsinanan’Ankaratra Fahazavana (na ny SPAA 38) araka ny fanazavan’ny prezidà: « ho fandaminana dia aty aminay synodam-paritany no mandoa vola ny fiangonana rehetra ka ny synoda no mandrotsaka izany any amin’ny CNaPS avy eo. Ny antony dia satria misy fiangonana taraiky manefa ny adidiny ka aloan’ny synoda mialoha ary manefa izany ilay fiangonana avy. Tanjona ny tsy hahatapaka ny zo eny anivon’ny CNaPS». Tsara ho fantatra moa fa in’efatra isan-taona no fanaovana ny fanambarana ny filazan-karama (Déclarations Nominatives des Salaires / DNS) izay ampiarahina hatrany amin’ny « talon» sy ny taratasy nandoavana ny latsakemboka : ny volana aprily, jolay, oktobra ary ny volana janoarin’ny taona ho avy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.