Actualités

CNaPS Marovoay Notokanana ny birao vaovao


  • Talata 02 Jona 2015

Notokanana ny faran’ny herinndro teo ny birao vaovao ho an’ny masoivohon’ny Tahirim-pirenena ao Marovoay, « ny trano vita dia ampahany amin’ny ezaka izay atao » hoy Arizaka Rabekoto Raoul Tale Jeneralin’ny CNaPS, satria mbola ambany ny tahan’ny Malagasy mahazo Fiahiana ara-tsosialy, 7% monja amin’ny mpiasa tsy miankina.

 

Mba hanakarana io salan’isa io dia maro ny tetikasa ataon’ny CNaPS entina manome fiahiana ara-tsosialy ny rehetra. Tafiditra amin’izany ny fanomezana  fanampiana ny tantsaha izay maro an’isa any Marovoay. Ny distrikan’ny Marovoay izay sompitry ny vary eto Madagasikara. 90%-n’ny mponina ao aminy dia tantsaha avokoa. Nifanindran-dalana tamin’io lanonam-panokafana io ihany koa ny fananganana ny « Club CNaPS zandriolona », any an-toerana. Tetikasa mampianatra ny ankizy ny zo fototra maha- olona, ny andraikitry ny CNaPS amin’ny fitsinjarana ny latsakemboka ho tonga fanampiana ho an’ny zaza, ny reny bevohoka,  ny mpiasa, ny tra-doza am-prin’asa, ny zokiolona mpisotro ronono. Anjara asan’ny mpianatry ny EPP avy eo ny manentana ny ray aman-dreny ao Marovoay, any Mahajanga ary ny faritra Boeny ny maha-zava-dehibe ny fananana Fiahiana ara-tsosialy.

 


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT