NaPS Marovoay
Notokanana ny birao vaovao
X« ny trano vita dia ampahany amin’ny ezaka izay atao » hoy Arizaka Rabekoto Raoul Tale Jeneralin’ny CNaPS, satria mbola ambany ny tahan’ny Malagasy mahazo Fiahiana ara-tsosialy, 7% monja amin’ny mpiasa tsy miankina. Mba hanakarana io salan’isa io dia maro ny tetikasa ataon’ny CNaPS entina manome fiahiana ara-tsosialy ny rehetra. Tafiditra amin’izany ny fanomezana fanampiana ny tantsaha izay maro an’isa any Marovoay. Ny distrikan’ny Marovoay izay sompitry ny vary eto Madagasikara. 90%-n’ny mponina ao aminy dia tantsaha avokoa. Nifanindran-dalana tamin’io lanonam-panokafana io ihany koa ny fananganana ny « Club CNaPS zandriolona », any an-toerana. Tetikasa mampianatra ny ankizy ny zo fototra maha- olona, ny andraikitry ny CNaPS amin’ny fitsinjarana ny latsakemboka ho tonga fanampiana ho an’ny zaza, ny reny bevohoka, ny mpiasa, ny tra-doza am-prin’asa, ny zokiolona mpisotro ronono. Anjara asan’ny mpianatry ny EPP avy eo ny manentana ny ray aman-dreny ao Marovoay, any Mahajanga ary ny faritra Boeny ny maha-zava-dehibe ny fananana Fiahiana ara-tsosialy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.