Nikarakara atrikasa fikaonan-doha tetsy Ampefiloha ny Tahirim-pirenena, ny mpampiasa sy ny sendika ary ireo dokoteran’asa eny anivon’ny orinasa samihafa, nifampizara traikefa ny amin’ny hanatsarana ireo paikady entina mampiroborobo ny fahasalamana eny anivon’ny orinasa mba hampanara-penitra ny asa ka hahatsaratsara kokoa ny fiainan’ny mpiasa sy ny fianakaviany.
Mitana anjara toerana lehibe amin’ny fitantanana ny asa amin’ny ankapobeny ny fahasalamana eo anivon’ny toeram-piasana. Tsy ny fitsaboana ny mpiasa rehefa marary fotsiny ihany fa ny toe-pahasalaman’ny mpiasa, ny tontolo iainany, ny fahadiovan’ny orinasa, sy ny maro hafa dia tafiditra amin’ny antsoina hoe fahasalamana eo anivon’ny orinasa.
Samy tompon’antoka amin’izany na ny mpiasa izay angovo mampandeha ny orinasa, ny mpampiasa izay manana tombony amin’ny fandrosoan’ny orinasa rehefa salama sy tomady ary mazoto ny mpiasa entiny, ny dokoteran’ny orinasa, ireo orinasam-pahasalamana miandraikitra ny mpiasa toy ny AMIT, ny OSTIE ary ny SMIA, ny INSPC (Institut National de Santé Publique et Communautaire) etsy Befelatanana ary ny CNaPS, indrindra ny Dokoteran’asa hoy Dr Kapisy Alain avy amin’ny SMIA Antsirabe, iray amin’ireo mpandray anjara.Ilaina ny fiaraha-mientan’ny rehetra amin’ny fiarovana sy fisorohana ny risiky ny loza sy aretina am-perinasa, ka izay indrindra no nahatonga ny atrikasa teo amin’ny CNaPS Ampefiloha, hoy kosa Atoa Ramanitriniony Samuelson Talen’ny Asa eo anivon’ny Minisiteran’ny Asam-panjakana satria asa mendrika sy manara-penitra ary asa mitondra voka-tsoa ho an’ny mpiasa sy ny fanakaviany no tanjona.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.