Actualités

CNaPS – LABEL HOREB Miara-miasa hanampy tantsaha 176 any Atsinanana


  • Alarobia 15 Novambra 2017

Napetraky ny lalàna iraisam-pirenena sy ny lalàmpanorenana malagasy fa zo fototra ny fiahiana ara-tsosialy ho an’ny isam-batan’olona.

Mbola vitsy anefa ny tahan’ny vahoaka malagasy misitraka izany zo izany noho ny a ntony maro samihafa, anisan’izany ny tsy fahafantarana momba ny fiahiana ara-tsosialy. Antoky ny fampandrosoana ny toe-karena sy ny indostria ihany koa ny vokatra ho entiny.Misedra olana maro ihany koa izy ireo eo am-panatanterahana izany asa izany. Singanina amin’izany ny asa mafy mandavan-taona ka mahatonga azy ireo ho mora osa ara-batana, Eo ihany koa ny loza voajanahary sy ny hetraketraky ny natiora ary ny fiovaovan’ny toetr’andro izay tsy miankina aminy nefa mitarika fihenana sy faharatsian’ny vokatra ary tebiteby ny amin’ny ho avy. Manoloana izany dia rariny loatra raha omena ny zo mifanandrify aminy ireo tantsaha ireo, na mpamboly izy na mpiompy na mpanao asa tanana ary ny mpanjono ihany koa. Noraisin’ ny CNaPS ho adidy ny fandraisana an-tanana an’ireo mpamokatra “litchi” izay mivondrona ao anatin’ny kaoperativa “TARATRA” ka nirosoany tamin’ny  fanaovana fifanaraham-piaraha-miasa miaraka amin’ny Référentiel HOREB, faritra Atsinanana omaly talata 14 novambra 2017. Izany dia mba hahafahan’ireo mpamokatra “letchi”misitraka ny zo rehetra tokony ho azy amin’ny maha-mpiasa azy. Santatra am-bava rano ihany izao dingana izao, taratra ny finiavan’ny CNaPS hanolotra fiahiana ara-tsosialy an’ireo tantsaha mpamokatra manerana an’i Madagasikara. Namaky lay amin’izany ny Référentiel HOREB ary manentana sahady ireo rehetra izay maniry hiaraka hiasa amin’ny CNaPS mba ho tombontsoan’ny tantsaha mpamokatra manerana an’i Madagasikara, hoy ny talen’ny maha olona Atoa Raobijaona Bruno izay nisolotena ny tale jeneralin’ny CNaPS nandritra ny fanaovan-tsonia tany Foulpointe. Taorian’ny fifanaovan-tsonia dia roso avy hatrany ny asa, ka nomen’ny CNaPS fiofanana ireo mpamokatra, sy kaoperativa ary fikambanana ara-pambolena ary tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy eo anivon’ny Référentiel HOREB. Hazavaina mandritra ny 2 andro any Fenoarivo Atsinanana ny fomba fandoavana latsakemboka, ireo karazana fanampiana azon’ny tantsaha vokatr’izay fanefana adidy izay. Mitovy amin’ny sehatry ny fambolena ny tahan’ny latsakemboka aloha izay feran’ny lalàna ho 8% an’ny mpampiasa dia ny Kaoperativa “TARATRA” ary 1% kosa ny an’ny mpiasa dia ny tantsaha mpamokatra. Nifanindran-dalana tamin’ny fanaovan-tsonia ny fitokanana tetezana amoahana ny vokatra letchi, ny fanoloran’ny Référentiel HOREB traktera ho an’ny kaoperativa “TARATRA”mba entina hanamboarana ny lalana hivezivezen’ny mpamokatra. Ary farany dia nanolotra fiara tsy mataho-dalana ahafahan’ny tantsaha mivezivezy Atoa Rasamimanana Faly filohan’ny Référentiel HOREB.

 

RTT

 

 

 

 

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT