Tao amin’ny fiangonana FLM Tanambao Taolagnaro no nanatanterahana ny atrikasa nandritra momba ny fiahiana ara-tsosialy ny roa andro, ho fanohiazana ny fiaraha-miasan’ny FLM sy ny CNAPS. Nahatongavana solontena avokoa ireo fileovana miisa 11 mandrafitra ny synodam-paritany Taolagnaro nahitana Pastora, katekista, vehivavy teôlôjiana, mpiasa miantsehatra amin’ny fahasalamana, ny fambolena, ny fiompiana, ny fampianarana ary ireo mpitahiry ny volam-piangonana.« Inoana fa hamaha ny olana misy hatramin’izay ity fiofanana ity », hoy ny Pastora Dr Rakotonirina David filohan’ny FLM satria ny tena olana dia ny habetsahan’ireo mpiasa mandeha misotro ronono nefa tsy mandray CNaPS teo aloha. Zava-dehibe ho an’ireo mpiofana an-jatony tao Tanambao ny fiofanana ary maro no izao vao mahafantatra ny dingana arahina mba hisitrahana ny zony. « Tanjon’ny CNaPS amin’ny fampiofanana ny fijerena manokana ny mpiasan’ny FLM miatrika olana amin’ny fisitrahana ny zony rehefa tonga ny fotoana tsy hiasana intsony, satria dia betsaka ny fitarainana voaray eo anivon’ny CNaPS », hoy kosa ramatoa Tsaboto Joslina mpandrindra ny masoivoho CNaPS. Ka ny tantsoroka omen’ny Tahirim-pirenena ny FLM dia hahafantaran’izy ireo ny adidin’ny fiangonana, ny fitandremana, ny synoda, ny fileovana ka hahafahan’ny mpiasa tsirairay misitraka ny zony ara-tsosialy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.