Actualités

Cnapmad Ankorondrano Nanao fitokonana fanairana ireo mpiasa


  • Talata 13 Novambra 2012

Nanao fitokonana fanairana noho ny tsy mbola nahazoany ny karamany volana oktobra ny mpiasan’ny Cnapmad teny Ankorondrano omaly maraina.

 Mazàna mantsy dia any amin’ny faha-25-n’ny volana diavina raha tara no fahazoana azy io. Tamin’ity anefa efa hisasaka ihany ny volana novambra, tsy mbola azo ny karama. Araka ny filazan’ny solontenan’ny mpiasa izay nanazava tamin’ny mpanao gazety dia efa fantatry ny lehibe izao fanapahan-kevitra izao. Nambarany koa fa misy ny vola fa nisolo ny “comptable”  ka nisy fahatarany noho ny kenonkenona ara-teknika. Ity orinasa ity moa dia ahian’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ary misahana ny kojakoja fampianarana toy ny fitsipika, kahie, taratasy … Izy koa no mamolavola ny taratasim-panadinana rehetra amin’ny fanabeazam-pirenena. Ahitana olana hatrany ity ministeran’ny fanabeazam-pirenena ity, indrindra eo amin’ny ara-bola. Re koa mantsy izao fa efa nahazo ny tambin-kasasarany ireo nitsara fanadinana BEPC tany amin’ny Fari-piadidian-pampianarana Miarinarivo, saingy ny tamin’ny herintaona ihany. Ny teto an-drenivohitra tsy mbola misy tokotaniny.

 
Nangonin-dRabeso
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT