Actualités

Clément Jaona “Tsy mpanakorontana fanjakana ny SMM”


  • Sabotsy 15 Jolay 2017

Nialoha ny namonjeny ny lanonana fankalazana ny fetim-pirenena Frantsay teny Ivandry, omaly zoma faha-14 jolay, dia mbola nandray ireo mpikambana vitsivitsy avy ao amin’ny SMM teny amin’ny Lapan’i Mahazoarivo ny praiministra Mahafaly Solonandrasana Olivier.

Naharitra ora 1 mahery kely ny fihaonan’izy ireo nefa dia tsy nisy fanambarana nivoaka taorian’izany fa io izy maika ny hamonjy lanonana io. Somary nandosindositra “micro” an’ny mpanao gazety ihany koa ireo mpikambana ao amin’ny SMM nihaona taminy fa ny filoha lefiny, Atoa Clément Jaona, no nanamarika tamin’ny mpanao gazety fa fampahatsiahivana tamin’Atoa praiministra ny zavatra nambarany mikasika an-dry zareo SMM no fototry ny dia nalehan-dry zareo tao amin’ity tompon’andraiki-panjakana ity. Nambaran’ity filoha lefitry ny SMM ity fa toherin-dry zareo marin-drano ny filazan’ity praiministra ity fa manao “destabilisation” na fanakorontanam-panjakana izy ireo. Nampahatsiahivinay azy koa ny teniny nilaza fa : “tapitra hatreo ny fanaovana fitaovana politika ny fitsarana”. Mbola nambaranay tamin’ity praiministra Malagasy ity koa, hoy Atoa Clément Jaona, tokony handray andraikitra (prend acte) amin’ny fanatanterahana didy navoakan’ny fitsarana izy. Efa mazava amin’ny rehetra kosa ny fitakiana ataonay izay miompana amin’ny tokony hampiarana amin’izay ny fahaleovan-tenan’ny fitsarana eto amintsika.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT