Actualités

Clément Jaona filohan’ny SMM “Tsy olana na volana desambra aza ny fifidianana”


  • Alarobia 31 Jolay 2019

Azo hadika ho fanapahan-kevitra politika ny tsy namoahan’ny fanjakana ny didim-panjakana hanatanterahana ny fifidianana ben’ny tanàna.

 

 

Safidy politikan’ny mpitondra na hanalava ny fe-potoana hiasan’ny ben’ny tanàna na hametraka Filohan’ny Delegasionina manokana (PDS) hitantana ny kaominina aorian’ny fahataperan’izany ny 18 septambra izao amin’ny 12 ora alina, hoy ny filohan’ny Sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara na ny SMM Atoa Clément Jaona. Nambarany fa tsy mbola tara na amin’ny volana desambra aza vao hirosoana ny fifidianana, ary tsy vao izao no nanatanterahana fifidianana tao anatin’ny vanim-potoana fahavaratra, hoy izy. Anisan’izany ny tamin’ny desambra 2013 nifidianana filoham-pirenena, ny 20 desambra 2013 nampiarahana ny fifidianana filoha fihodinana faharoa sy ny solombavambahoaka. Ho an’ny  Ivontoerana Safidy, fiarahamonim-pirenena manara-maso ny fifidianana kosa, dia misy kajikajy politika ny fanemorana ny fifidianana, indrindra fa ny mety ho fametrahana PDS satria ireny ihany no hatao kandidan’ny mpitondra ary ho mora ny mampandany azy. Anisan’ny fandresen-dahatra ny fanemorana ny fanadiovana ny lisi-pifianana. Raha ny hevitr’izy ireo, dia azon’ny governemanta atao ny mamoaka lalàna hahafaha-manamarina ny lisitry ny mpividy ivelan’ny fe-potoana hahafahana manao izany, ivelan’ny fotoana ara-dalàna, izay marihina fa ny 01 desambra vao misokatra ny fanavaozana ny lisi-pifidianana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

Hijery ny tohiny
FTT