Actualités

CLD Ambohidratrimo Notsinjaraina tamin’ny kaominina 12


  • Talata 21 Febroary 2017

Tapaky ny fivoriamben’ny komity ifotony misahana ny fampandrosoana eo anivon’ny distrikan’Ambohidratrimo ny fitsinjarana ilay tetibola 200 tapitrisa ariary amin’ireo kaominina 12 isan-taona.

Toraka izany ihany koa ny famatsiam-bola CLD 2017 izay hifampizaran’ireo kaominina 12 hafa tsy nahazo izany tao anatin’ny andiany voalohany, hoy ny depiote Rabenirina Maminiaina. Tanjona ny hisitrahan’ireo kaominina 24 mandrafitra ny distrika bolongambola matevina kokoa manodidina ny 16 tapitrisa ariary. Efa manomboka ny asa amin’izao fotoana izao izay vinavinaina ho vita amin’ny faran’ny volana martsa 2017. Miompana amin’ny karazana asa telo lehibe moa ny famatsiam-bola ho an’ireo kaominina 12 voalohany mandritra ny taona 2016. Voalohany ny fanamboaran-dalana sy tetezana. Faharoa ny fananganana fotodrafitrasa toy ny efitrano sekoly ary fahatelo farany ny fanorenana tsena, araka ny fanampim-panazavan’ny solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy ao Ambohidratrimo.

Ramano F.


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT