Actualités

Claudine Razaimamonjy Tapitra amin’ny 7 aprily ny fitazonana am-ponja vonjimaika azy


  • Alakamisy 22 Febroary 2018

Miparitaka any anaty tambajotra ara-tsosialy “facebook” amin’izao fotoana ny sary maneho an-dRamatoa Claudine Razaimamonjy any Frantsa miaraka amina olona vitsivitsy.

Tsy hay na efa taloha ireo sary ireo no niniana naparitaka na ahoana, fa dia miteraka adihevitra lehibe. Tena izy ihany koa sa namboamboarina na ilay antsoina hoe “photoshop” ? Mahagaga hatramin’izao ny tsy mbola fandehanan’ny fitsarana na efa ny 7 aprily 2017 aza ny didy fampidirana am-ponja azy vonjimaika. Raha ny fisehoan-javatra tato ho ato anefa no jerena, dia karazan’ny efa nohadinoin’ny HVM sy nailiny i Claudine Razaimamonjy ary anisan’ny voatonona sy malaza ho efa tena tsy mankasitraka ny fiarovana azy ny vadin’ny filoha. Tsy nisy sahy nipoitra teny amin’ny Hotely A§C Ivato mihitsy hatramin’ireo minisitra mpiray fiaviana aminy nandritra ilay fetin’ny Terak’i Betsileo ny 03 febroary teo. Manao sinema ve ny HVM ? Raha ny fakam-baovao natao tamin’ny lehiben’ny Fonja any Manjakandriana, Raharilalamampionona Hantanirina dia nambarany fa mbola tazonina soa aman-tsara ao am-ponja ity mpanolotsain’ny filoha ity. Taorian’ny fahafenoan’ny fe-potoana nitazonana azy vonjimaika nanomboka 7 aprily 2017, dia nampitomboina 6 volana indray izany. Mbola misy hatramin’ny 7 aprily 2018 izao izany ny fe-potoana hahafaha-mitazona azy, raha io fanazavana io.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT