Actualités

Claudine Razaimamonjy Nohalavaina 6 volana ny fitazonana am-ponja azy


  • Sabotsy 09 Desambra 2017

Ny 3 aprily 2017 no nosamborina teny Mahamasina i Claudine Razaimamonjy rehefa tsy namaly ny antso nataon’ny Bianco ny tenany.

Ny 7 aprily 2017 no nahazoany didy famonjana vonjimaika voalohany tamin’ny raharaha kolikoly goavana nanenjehana azy. Maro ny dosie momba azy. Ny raharaha fanodinkodinam-bola 500 000 000 Ariary, fanampiana kaominina roa tany amin’ny faritra Matsiatra Ambony sy ilay 390 tapitrisa ariary mikasika ny raharaha kaominina Ambohimahamasina no anisan’ny nanenjehana azy. Tsy nidoboka tany am-ponja avy hatrany izy taorian’ny didy navoakan’ny fitsarana manokana momba ny ady amin’ny kolikoly na ny CPAC fa mbola tafaporitsaka tany Maorisy na efa namoahana didy tsy fahazoana mivoaka an’i Madagasikara na IST aza. Ny 12 jona vao nalefa teny Antanimora ary ny 15 jona dia nafindra tany Manjakandriana. Tamin’ny 21 jolay no nentina voalohany tany amin’ny “Chaine Pénale”, ary nahazo didy fampidirana am-ponja vonjimaika faharoa, taorian’ilay tamin’ny 7 aprily. Nentina tany amin’ny Bianco ny 29 septambra, saingy tsy nisy zavatra nivoaka taorian’izay. Tapitra ny 7 desambra teo ny fe-potoana hahafahana mitazona am-ponja azony mikasika ilay didy nivoaka ny 7 aprily, saingy nisy ny fanitarana na “prolongation” 6 volana, araka ny angom-baovao natao tamin’ny lehiben’ny fonja any Manjakandriana. Ireo aloha amin’ny ankapobeny ny dingana rehetra efa nisy momba an’ity raharaha ity, ankoatra ny fisian’ny dosie hafa. Tsy mbola nisy na inona inona nandeha, toy ny fiakarana fampanoavana na fitsarana, 8 volana aty aoriana. Matoa anefa tonga tamin’ny fisamborana ny raharaha, dia heverina fa tsy sarimihetsika intsony no niseho fa efa feno ny porofo sy ny vesatra nahafahana nanao izany. Tsy araka ny nampoizina no niseho taty aoriana fa nitarazoka. Nandeha ny fitakian’ny mpitsara, ny mpanao politika, ny sendika… saingy nangina ny raharaha. Voasaringotra sy mety tsy ho tsy afa-miala amin’ny raharaha ny praiminisitra sady minisitry ny atitany Mahafaly Solonandrasana Olivier, ary io no voalaza fa mbola miaro azy fatratra amin’izao. Miankina ny fanalana ity tompon’andraikitra ambony ity, izay mety tsy ho ela ny tohin’ny raharaha satria efa mandeha ny tsindry isan-karazany ao an-dapa amin’ny tsy maintsy hanalana azy.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT