Re fa nandalo teny amin’ny Chaîne Pénale Anti-corruption na ny fitsarana manokana misahana ny ady amin’ny kolikoly teny 67 Ha ny herinandro lasa teo Rtoa Claudine Razaimamonjy ary natao fanadihadiana.
Tsy nisy fampitam-baovao ofisialy momba ity tranga iray ity fa ny olona niasa teny amin’ny manodidina teny no nahafantarana izany. Araka ny loharanom-baovao iray dia nandeha fiara tsotra ary tsy nisy mpanaraka na mpiambina manokana Rtoa Claudine Razaimamonjy raha niditra sy nivoaka tao amin’ny toerana misy ny Chaîne Pénale izay eny amin’ny tranon’ny CNaPS sy ny minisiteran’ny asam-panjakana sy ny asa moa , eny 67 Ha no misy azy.Tsy mbola fantatra hatreo ny fanadihadiana natao taminy hoe:tohin’ny afera nisamborana azy ve sa efa anisan’ireo dosie 4 hafa nambarran’ny Bianco fa miandry azy sy tsy maintsy mbola hanadihadiana azy. Nangingina tato anatin’ny 1 volana ny raharaha Claudine A&C fa takon’ny raharaha politika sy ny zavatra hafa somary nafampana teto amin’ny firenena. Efa nandeha aza ny resaka fa tsy migadra akory ity mpanolotsaina manokan’ny filoha sady mpandraharaha mpanefoefo ity fa afaka miaina tsara amin’izay toerana tiany. Tsy nisy rahateo ny fampitam-baovao matotra ara-potoana momba ity raharaha ity koa niha nahazo vahana ny siosion-dresaka.Andrasana no ho tohin’ny raharaha, satria raha ny marina dia tokony handalo fitsarana Rtoa Claudine Razaimamonjy fa tsy hoe ho tanana am-ponja vonjimaika mandrakizay. Rehefa mandeha ihany ny fitsarana vao tena ho fantatra sy hipoitra ny tena marina rehetra. Ny mpitsara rahateo efa nilaza fa manaraka akaiky ny raharaha ary tsy maintsy atao araka ny tokony ho izy io fa tsy misy resaka hafahafa izany. Ho hita eo izay fitrangany.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.