Actualités

Claudine Razaimamonjy Nanao fety ivelan’ny fonja ?


  • Alarobia 28 Jona 2017

Araka ny loharanom-baovao iray dia tsy tao amin’ny fonjan’i Manjakandriana i Claudine Razaimamonjy nandritra ny fanamarihana fetin’ny fahaleovantena teo.

Tsy fantatra mazava kosa izay toerana nisy azy na teny amin’ny hotely A&C Ivato na tany amina toeran-kafa mihitsy. Ny re dia tsy tao amin’ny fonja nitazonana azy no nifety izy. Ny hoe hivoaka tsy misy mahita aloha izy dia tsy azo eritreretina. Nahazo fahafahana mivoaka ny fonja hanao ny fetim-pirenena ve izy ? Iza no mety nanome io fahazoan-dalana io ? Raha ny tokony ho izy anefa dia tsy mahazo fahafahana hivoaka mihitsy ny olona voatazona am-ponja vonjimaika (MD) raha tsy amin’ny alalan’ny fanapahan-kevitry ny fitsarana ihany. Raha tena nivoaka marina ny fonja izy, efa tafaverina ao ve sa any dia tsy hita ? Be loatra ny sinema sy sangodim-panina amin’ity raharaha Claudine Razaimamonjy ity, hany ka manomboka maro ny olona ankehitriny no resy lahatra fa tsy migadra akory ity ramatoa mpanefoefo ity. Tsy nisy olona na dia iray aza mantsy nahita ny sariny niditra marina ny fonja hatreto aloha fa fanambarana maimaika fotsiny no natao ary amin’ny alina foana no mandeha ny fifindrana. Araka ny loharanom-baovao iray hatrany, dia nisy ny fihaonan’ny Sendikan’ny Mpitsara (SMM) sy ny Bianco ny andro vitsy lasa izay, saingy tsy fantatra kosa izay tena antony na misy hidiran’ny raharaha Claudine Razaimamonjy na tsia. Anio alarobia 28 jona no fotoana hanaovan’ny SMM eto Antananarivo fivoriambe tsy ara-potoana, izay hiresahana ny tohin’ny fitakian’ity sendika ity amin’ny fahalalahan’ny fitsarana, izay misy hifandraisany amin’ny raharaha Claudine Razaimamonjy. Ho hita eo izay fanapahan-kevitra na fanehoan-kevitry ny SMM mikasika io raharaha io fa dia miandry ny rehetra.


Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT