Feno herintaona katroka anio zoma 7 aprily ny didy fampidirana am-ponja vonjimaika an’i Claudine Razaimamonjy noho ny resaka kolikoly. Ny 3 aprily 2017 no nisamborana azy teny anoloan’ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina, rehefa tsy namaly ny fampiantsoana nataon’ny Bianco hanaovana fanadihadiana.
Mbola tafavoaka tany amin’ny Nosy Maorisy, avy eo natao andrimaso teny amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha, ka ny 15 jona vao naiditra teny Antanimora, ary nafindra tany amin’ny fonjan’i Manjakandriana ny ora maromaro taoriana. Dosie maro no nanenjehana azy, toy ny raharaha kolikoly mitentina 390 tapitrisa ariary tamin’ny fanamboarana fotodrafitrasa tany amin’ny Kaominina Ambohimahamasina any Matsiatra ambony, ny fanodikondinana volabe 500 000 000Ar tokony hanampiana kaominina roa tany amin’iny faritra iny ihany, ka io no anisan’ny dosie nampidoboka am-ponja azy voalohany. Mbola tsy afa-bela ny tenany satria vao tsy ela akory izay ny dosie 400 828 000 Ar, izay mbola nandentika azy. Olona maromaro no efa nohenjehina, ka hatramin’ny minisitra teo aloha aza tsy namelan’ny Bianco fa dia nidoboka am-ponja eny Antanimora. Nezahina notsindriana sy nanaovan’ny mpitondra antsojay ity sampandraharaha miady amin’ny kolikoly ity, saingy tsikaritra fa nisy ny ezaka satria tsy mbola nisy hatreto ny minisitra nidoboka am-ponja, tale kabinetran’ny minisiteran’ny serasera migadra,… Mandeha io ny raharaha kolikolin’ny depiote, ary efa nanambara ny tale jeneralin’ny Bianco Jean Louis Andriamifidy fa handray ny andraikitra amin’ny fanadihadiana. Inoana fa tsy hikoso-maso ity sampandraharaha ity, ka asa na depiote firy na firy no hidoboka eny Antanimora atsy ho atsy ? ! Efa mandeha rahateo ny ampamoaka isan-karazany, ka dia miandry ny rehetra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.