Samy maminavina izay ho tohin’ny raharaha Claudine Razaimamonjy ny rehetra taorian’ny filazana ny namindrana azy eny amin’ny fonjan’Antanimora nanomboka ny alatsinainy hariva tokony ho tamin’ny 7 ora.
Nambaran’ireo kaomisionina manokana najoro fa tsy misy intsony ny antony tsy hitazonana am-ponja azy araka ny didy hitsivolana laharana 4673/60 tamin'ny 10 novambra 1960, izay mametra ny fahafahana mitsabo tena ivelan'ny fonja ho 45 andro, izay efa nihoarana lavitra. Nilaza kosa ny lehiben’ny fonja eny Antanimora omaly fa tsy misy ahiana ny fahasalamany ary tsy tazonina amina toerana manokana izy fa natambatra amin’ny besinimaro. Tsy fantatra aloha na hotazonina tanteraka eny an-toerana hiandry ny fitsarana azy izy na ahoana. Raha ny resaka mandeha dia tsy hajanona ela eny izy fa homena fahafahana vonjimaika na hatokana amina toerana manokana voaaro (Résidence surveillée). Tena sarotra ny fanangonam-baovao momba ity raharaha ity fa dia zavatra manjavozavo izay miteraka resabe avy eo no mivoaka.Maro ny zavatra tsy maharesy lahatra tamin’ity raharaha Claudine A&C ity ka mahatonga ny maro hieritreritra fa sao lahy ka sinema indray ity hoe famindrana eny Antanimora ity fa efa hafa mihitsy ny ketrika.Lava tanana ary tena manana ireo olona ampiasainy i Claudine A&C matoa nahavita nijanona teny amin’ny hopitaly efa ho 50 andro kanefa tsy fantatra mazava akory hoe inona ny aretina nahazo azy, hoy ny resaka etsy sy eroa.Ankehitriny nambara fa nafindra eny amin’ny fonjan’Antanimora izy, kanefa tsy misy fanambarana ofisialy, tsy misy sombin-tsary na dia iray aza.
Raikitra indray ny sinema ?
Nilaza moa ny Sendikan’ny mpitsara (SMM) omaly fa ny gadra politika ihany no tokony homena toerana voaambina manokana. Tsy fanarahan-dalàna manaraka indray raha tanteraka tokoa, hoy ny filoha lefitry ny SMM. “Nahoana moa no homena tombondahiny manokana hatrany iny ramatoa iny ?”, hoy ny SMM. Dingana iray ihany izao hoy ny sendikan’ny mpitsara fa tokony hitohy ny fanadihadiana ary milaza ho mailo amin’ny toe-draharaha ry zareo mpitsara tamin’ny fanambarana navoakany omaly hariva.Mamporisika hatrany ireo mpitsara mba tsy hanaiky ny tsindry amin’ity raharaha ity ny SMM satria sakana amin’ny fikarohana ny marina izany, hoy ny fanambarana. Tsy hanaiky mora foana ny sendikan’ny mpitsara, ary re fa hisy ny fidinana ifotony eny amin’ny fonjan’Antanimora tsy maintsy hataon’ny fitsarana ato ho ato mba hamantarana sy ahitana maso fa ao marina Rtoa Claudine Razaimamonjy.Omaly tontolo mantsy dia nandeha be ny feo fa efa miala any ny paikady hamotsorana tsimoramora an’ity mpandraharaha mpanefoefo akaikin’ny filohampirenena ity; ny olona rahateo manomboka variana amin’ny fiaterahana ny fetim-pirenena, ny fanadinana ho an’ny ankizy ka mety tsy dia mivaky loha loatra firy intsony amin’ny raharaha politika aloha, dia izay no mety araraotin’ny sasany hamotsorana ny tompon’ny A&C.Betsaka moa ny tombatombana sy ny adihevitra fa andrasana kosa ny resaka ofisialy avy amin’ny manampahefana isan-tsokajiny ny amin’ny tena marina momba ity raharaha ity.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.