Nitrangana haintrano indray tao amin’ny Cité Haras bazary may Toamasina ny alin’ny alatsinainy hifoha talata teo tokony tamin’ny 11ora sy sasany ; fantatra fa labozia tao amin’ny efitranona tovolahy iray mamo no niaingan’ny afo.
Vita amin’ny fitaovana mora miheritra raha teo ny tranony sy ireo manodidina azy, ka avy hatrany dia am-bovonana ny afo, izay tsy matin’ny mpamonjy voina raha tsy tamin’ny 02ora maraina. Raha ny fanazavana azo tamin’ny filoham-pokontany dia tovolahy efa ifampitadiavan’ny polisy saingy tsara hafina tao amin’ity Bazary may ankirihiry ity ny tenany, nandritra ny fitrangan’ny hain-trano aza dia nifangaro ny fofona rongony sy ny fitaovana may. “Vao miatomboka ve ny taona dia efa fahoriana sy famaizana fananana nihariana an-taonany toy izao no manjo, dia hanao ahoana izany no hiatrehana ny taona vaovao izao? Tena loza ity noho ny tsy fitandreman’ny sasany dia ny hafa no mizaka ny voka-dratsiny” hoy ity raim-pianakaviana izay mbola nanana fotoana namoaka ny vady aman-janany, saingy ny fananana may kila forehitra lasa lavenona avokoa. Mpivarotra sy mpanao asa tena avokoa ny ankamaroan’ireo may trano ireto, misy aza mbola eo am-pamitana ny komandin’ny olona ho an’ireo mpanao fanaka sy mpanjaitra ary ireo mpanamboatra fitaovana elektronika may fananana.Manodidina ny 300 eo ireo rava trano sy tsy manan-kialofana. Nambaran’ny filoham-pokontany fa alaina anarana tsirairay ireo may fananana ireo, ka ho izy ireo ihany no miverina amin’ny taniny, satria tamin’ny tranga na hain-trano niseho ny taona 2008 dia betsaka ireo nisisika satria efa trano 500 be izao no may tamin’izay ka sarotra ny nanavaka ny tra-boina sy ny mpisandoka.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.