«Cité des officiers» Ampasimazava Natakalo ny fanarenana ny biraon’ny 1

RM3 ao Toamasina


  • Zoma 20 Aogositra 2010

Efa nomanina ny volana jona 2010, nandritra ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny fiverenan’ny fahaleovantena sy ny faha-50 taonan’ny foloalindahy Malagasy, ny fitokanana ny birao vaovaon’ny toby miaramila 1/RM3 Toamasina.

Hatramin’izao anefa dia tsy mety vita izany, ny trano ao amin’ny Camp Chanaron misy azy anefa efa nidirana sy iasana. Raha ny endriky ny birao sy ireo efitrano ao aminy dia ity ao Toamasina ity no biraon’ny tafika Malagasy tsara indrindra manerana ny nosy. Ny orinasa Tsaravitana no nanao ny asa fanarenana rehetra. Ny taona 2009 no nanomboka ny asa ary ny telo volana voalohan’ity taona 2010 ity no vita tanteraka izany, ary miandry ny fitokanana azy ofisialy.

Araka ny fantatra dia niteraka disadisa eo amin’ny samy manamboninahitry ny tafika ao Toamasina ny fomba nanamboarana ity birao vaovao ity, ka tsy mbola nandraisana ny asa sy nitokanana azy. Araka ny loharanom-baovao dia nomena ny orinasa Tsaravitana ny «Cité des Officiers» ao Ampasimazava ho takalon’ny fanarenana ity biraon’ny  miaramila ao Camp Chanaron ity. Raha notombanana anefa ny sandan’ny trano sy ny tombam-bidin’ity toerana ao Ampasimazava ity dia mantiantoka ny tafika Malagasy. Ny tombam-bidin’ny birao vao nasiam-panarenana rahateo tsy mihoatra ny arivo tapitrisa ariary araka ny fanazavana ihany. Ity Cité ity koa na trano efa ratsy sy madiva ho rava aza dia mbola misy manamboninahitra mipetraka noho ny tsy fananan’ny tafika trano hametrahana ireo manamboninahitra ao aminy intsony.
 
Tsy azo atakalo
Raha ny lalàna misy eo anivon’ny foloalindahy Malagasy dia mazava ny voasoratra fa «tsy azo amidy na atakalo ny fananan’ny foloalindahy Malagasy». Ny tao Toamasina anefa tsy nanaraka izany, na efa nosakanana sy nisy nampahafantatra ihany aza fa nanohy izany hatrany. Ny ministry ny fiarovam-pirenena teo aloha no tompomarika sy nampirisika ary nanaiky ny fangatahan’ny tafika Toamasina nanaovana izao takalo tranon’ny miaramila hanarenana biraon’ny toby tafika izao. Fantatra anefa izao, satria efa tsy eo an-toerana intsony io ministra io, dia mikatso tanteraka ny raharaha. Ny ministra vaovao nisolo azy sy ny praiministra ankehitriny anefa samy tsy mety manao sonia ny fifanarahana amin’ny fahazoan’ny Tsaravitana ilay «Cité des Officiers».
Samy miandry izay ho tohiny ny rehetra. Andaniny ny miaramila miandry ny fitokanana ny birao vaovaony, ankilany ny Tsaravitana miandry ny takalon’ny asany. Ity «Cité des Officiers» ity rahateo mety tsara amin’ny trano fandraisam-bahiny, sady toerana nanaovana izany talohan’ny Repoblika voalohany. Hatramin’izao anefa aloha dia mikatso tanteraka ny raharaha, resaka sonia sy fankatoavana sisa no andrasana.
 
Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT