Efa niverina an-tsekoly ny mpianatra rehetra tao Sambava omaly alarobia, rehefa niato nanoloana ny disadisa nisy taorian’ny nahalasanan’olon-tokana ny tranon’ny
fari-piadidiam-pampianarana (Cisco) tao an-toerana ka nampitokona ny mpampianatra. Taorian’ny fifampidinihan’ny mpitondra isan’ambaratonga ao an-toerana dia tapaka fa hatao «Zone neutre» ity toerana ifandriatana ity mandra-pahita ny tena marina. Samy tsy misy mipetraka ao avokoa na ny Cisco na ny milaza ho tompon’ny trano.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.