Actualités

“Chômage technique” ao Ambatovy Mpiasa 2 sahady no namono tena


  • Alatsinainy 08 Jona 2015

Ranomaso, alahelo, fahatezerana, fahasosorana no nanamarika ny tontolon’ny andron’Ambatovy ny zoma teo, tamin’ny fivoahan’ireo lisitry ny mpiasa tafiditra tao anatin’ilay fidiran’ny orinasa amin’ny “chômage technique”

 . Nifankahery ireo mpiasa tsy maintsy niato sy reo mbola tafajanona, nisy avy hatrany kosa ireo tonga dia nody vao nahita ny anarany, tao ireo mbola niandriandry sao mbola azo alamina ihany ny raharaha, tsy ferana kosa ireo saika nitarika sakoroka noho ny hatezerana fa ho tapaka karama indray nefa ny fety ho avy ny fiainana efa sarotra ary manahirana ny fitadiavan’asa. Raha ny vaovao farany nomen’Ambatovy nosoniavin’ny filohany Atoa Tim Dobson, dia ny 12% ny mpiasa isaky ny departemanta ireto voatery naato ara-teknika ireto. Nisy ireo mpiasa tena tsy nahazaka ny fiatoana ara-teknika ity, noho ny trosa be eo amin’izy ireo tamin’ny findramam-bola tamin’ny banky nanamboaran-trano izay efa nifanarahana tamin’ny orinasa. Vokany, mpiasa roa no re ny zoma tolakandro teo fa namono tena tamin’ny fihinana fanafody. Lehilahy iray no fantatra fa maty vokatr’izany; vehivavy iray kosa no mbola tsaboiana eny amin’ny hopitaly nanomboka ny zoma alina teo izay mbola ahiana ny aina araka ny vaovao farany azo tamin’ny nanoratana ny vaovao. Fantatra fa misy ireo mpiasa tsy manaiky ity resaka fampiatoana ara-teknika ity ka mikasa ny hanao hetsika. Hitohy anio alatsinainy ny famoahana ny lisitr’ireo mpiasa miato ara-teknika .

 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT