Ivontoeram-piofanana tsy miankina iray mijery sy mitsinjo manokana ireo ankizy tsy mba manana diplaoma nefa efa tokony hiditra eo amin’ny sehatry ny asa ny CFPM ( Centre de formation professionnelle Moderne) de Madagascar eny Talatamaty.
Namoaka mpianatra 250 mianadahy indray izy ireo ny faran’ny herinandro teo teny Ivato nianatra manokana momba ny informatika, ny dihy, ny mozika, ny fianarana teny vahiny…Raha ny fanazavan’ny talen-tsekoly Manatombontsoa Andry dia nianatra nandritra ny enim-bolana izy ireo. Ny fampiharana no tena natao raha tsy latsa-danja koa ny ambony latabatra. Ho an’ny fianarana teny vahiny manokana dia mampianatra teny Sinoa sy Anglisy ihany koa izy ireo ankoatra ny teny Frantsay. Roa taona no kely indrindra amin’ireo mpianany. Ny tanjon’ny sekoly dia ny hampianatra miteny avy hatrany izay tsy mifanohitra amin’ny any am-pianarana velively.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.