Actualités

CFP Soltec 20 taona nitsinjovana ireo zatovo kamboty sy sahirana


  • Zoma 22 Mey 2015

Niainga tamin’ny sampam-piofanana tokana «fabrication mécanique» ny «Centre de Formation Professionnelle Soltec» ny taona 1995. Ahitana sampam-piofanana 6 misokatra ho an’ny zatovo kamboty sy sahirana ara-pivelomana feno 17 taona no

 ho miakatra ny ivontoerana ao Mandrosoa Ivato izay mankalaza ny faha-20 taona nijoroany ankehitriny. Mampiavaka ny sekoly ny fampiofanana matihanina «système dual» alemana mandritra ny 2 taona. Rafi-panabeazana izay manome lanja ny fampiharana hatrany amin’ny 75% raha voafetra ho 25% kosa ny fianarana lesona. Tombony lehibe ho an’ity rafitra ity ny fampiainana sahady ireo mpianatra ny zava-miandry azy ireo ao anatin’ny tontolon’ny asa dia ny ny fanajana ora mifehy ny asa miaraka amin’ny fitsipi-pifehezana. Masontsivana takiana ho an’ireo zatovo mahantra hanovo fahalalana ny fananana maripahaizana Bepc. Tsy maintsy misedra fanadinana fitsapam-pahaizana toy ny taranja frantsay, malagasy, kajy ary ny lafiny ara-tsaina ihany koa ireo mpifaninana. Maherin’ny 2.000 ireo mpianatra nahita soa sy efa nivoaka tao amin’ny Soltec tao anatin’ny 20 taona izay manana ny teny filamatra «Tontolo iainana mamiratra sy Fanantenan’ny tanora».

Ramano F.

Sary fampihaingoana : Zatovo manovo fahalalana ao amin’ny CFP Soltec

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT