Actualités

CER sy CED Faritra Atsinanana Manadio tena amin’ny tsy fahaizany miasa ?


  • Alakamisy 04 Novambra 2010

Nihaona sy nanazava ny antom-pisiany ary ny ijoroany eo anivon’ny faritra atsinanana araka ny didy aman-dalŕna ny CER sy ny CED ny faritra atsinanana;

Fihaonana izay nataon’izy ireo niaraka tamin’ireo ben’ny tanànan’i Toamasina II izay tratra antso sy ny filoham-pokontany izay nantsoina ary ireo talem-paritra samy hafa izay nanohina ny antsony. Nandritra ny fihaonana no nilazan’ireo CER sy ny CED ireo fa manana andraikitra goavana eo amin’ny fampandehanana ny raharaham-pifidianana hitranga sy hotanterahina eto amintsika izy ireo. Mahaleotena amin’ny asa ataony ary ao anatin’ny matihanina tanteraka ihany koa. Natao izany mba hisy amin’izay ny fitokisan’ny vahoaka Malagasy ny safidiny.

Nambaran’Atoa Ndriana Mamy Ralaihariliva izay Coach ny faritra atsinanana amin’ny resaka fifidianana avy eo anivon’ny ministeran’ny atitany fa « mora ny manakiana ny asan’ny CER sy ny CED, fa sarotra ny asa miandry azy ireo amin’ny fanatontosana ny fifidianana araka ny rafitra napetraka »; nohamafisiny koa fa « aoka tsy ho taitra isika raha misy ny sampona kely (?) na misy ny tsy mandeha kely (?) amin’ny asa ataony, fa tetezamita anaty tetezamita no misy azy ireo izao amin’ny fanomanana ny fifidianana rehetra ity ». Ankoatra izay, dia nambaran’ny DGAT ny faritra atsinanana izay sady sekretera mpanatanteraky ny CER Atoa Talata Michel fa « efa eo am-pamaranana tanteraka ny lisi-pifidianana ny CIR izao ; ny fahataran’ny fanitsiana avy eny amin’ny fokontany no nahatara izany kely » na izany aza dia tratra tamin’ny fotoan’ny 2 novambra ihany ny an’ny faritra atsinanana.

 
Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT