84 taona no zokiny indrindra amin’ireo olona voaolana tonga manatona ny Centre Vonjy etsy amin’ny hopitaly Befelatanana, hoy ny Commandant Andrianirina Jean Paul, tamin’ny mpanao gazety omaly.
Roa taona kosa no zandriny indrindra. Nahatratra 618 mianadahy mianaka ireo noraisin’izy ireo an-tanana nandritra iny taona 2016 nivalona iny. Amin’ny ankapobeny dia nigadra avokoa ireo olona nanolan-jaza ka voarain’izy ireo ny fitoriana azy. Tsy mamela mahazo ny UNICEF izay mpanohana voalohany ity ivontoerana ity. Tsy maintsy mijinja ny nafafiny ny olona iray raha vantany vao nanolana zaza ho an’ireo latsaky ny 13 taona. Mpanodinkodina zaza tsy ampy taona kosa no hiantsoana azy ireny ho an’ireo latsaky ny 18 taona. Tombony ho antsika eto an-drenivohitra ny fananana ivontoerana tahaka izao. Tsy mila misahirana mantsy ireo lasibatra fa manatona avy hatrany dia mametraka fitoriana ary mahazo dokotera sy fitsaboana maimaimpoana avy eo, miampy ireo assistante sociale miasa manampy ireo olona lasibatra. Hiantohana kosa ireo zazavavy kely bevohoka efa nahitana tranga miisa 68 nandritra iny taona nivalona iny. Tonga nitsidika ny ivontoerana omaly ireo delegasiona avy any Burundais nifanakalo traikefa tamin’ireo tompon’andraikitra tao amin’ny Centre Vonjy. Fanirian’izy ireo ihany koa mantsy ny hanangana ivontoerana tahaka izao any amin’ny faritra misy azy hahafahana manampy sy manohana ireo lasibatra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.