Actualités

CENIT Tokony hifidy filoha vaovao


  • Alatsinainy 09 Martsa 2015

Raha tsy misy ny fiovana amin’ny ora farany dia ny 17 jolay izao no hanatontosana ny fifidianana ben’ny tanàna eto Madagasikara. Ny 25 janoary teo no nanendrena an-dramatoa Attalah Béatrice

 

, filohan’ny Cenit teo aloha ho minisitry ny raharaham-bahiny. Ny voalazan’ny  lalàna faha-2012-004 mandrafitra sy mandrindra ny asan’ny Cenit anefa dia voalaza ao amin’ny andininy faha-42 amin’io lalàna mifehy ny Cenit io fa tokony hanao fifidianana filoha vaovao araka ny faritan’ny andininy faha-39 sy faha-40 handimby ny teo aloha izay efa tsy mitana ny adraikiny intsony tao anatin’ny fe-potoana mihoatra ny 90 andro alohan’ny ahataperan’ny fotoam-piasan’ny Cenit izay miaraka tapitra amin’ny fahavitan’ny fifidianana nofaritan’ny fanjakana Tetezamita. Nambaran’ny tompon’andraikitra iray teo anivon’ny Cenit fa ny talata ho avy izao no mety ahafantarana izay fanapahan-kevitra momba ny hanaovana ny fifidianana izay hisolo an-dramatoa Attalah Béatrice. Amin’io fotoana io, hono, vao hanome fanazavana ny mpahay lalàna iray hanazava misimisy kokoa ny mikasika ny andinin-dalàna mikasika an’io toeran’ny filoha banga io na hanao fifidianana ihany na tsia. Ny Tena maha zava-dehibe ny fifidianana an’io filoha vaovao io mantsy dia miantoka  ny  famoahana izay ho voka-pifidianana ben’ny tanàna eo ka nahalasa saro pady an’io toerana io indray izao. Samy te hitady izay fomba handreseny avokoa ny antoko ka mety daholo izay fomba hahatongavana amin’izany tanjona izany. Olona azo antoka amin’ny fahamarinany sy tsy tia kolikoly ary mahaleotena tanteraka hamoaka marina ny safidim-bahoaka fa tsy ho baikon’ny antoko.

Andry Ratovo 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT