Actualités

CENI Niaiky fa betsaka ny lesoka


  • Alakamisy 18 Novambra 2010


Rarakompana ny fitarainana voarain’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) mikasika ireo lesoka tamin’iny fitsapan-kevi-bahoaka, izay fifidianana voalohany nokarakarainy rahateo. Voaresaka matetika tamin’izany ny tsy fahatomombanana teo amin’ny lisi-pifidianana toy ny fiverimberenan’ny anaran’olona iray sy ny fahadisoan’ny datin’andro nahaterahana, teo koa ny fahadisoana tamin’ny kara-pifidianana. Antony telo na efatra araka ny fanazavana netin-dRalevason Haritiana, mpikambana ao amin’ny CENI, no nampisy ny lesoka. Betsaka ny olona tsy namerina ny fisy fanisam-bato ka hadino. Ny hafa indray latsaka teo amin’ny fandravonana ny fanisana ny mpifidy ary ny hafa nandritra ny fandraketana tamin’ny solosaina ny anaran’ny mpifidy teny amin’ny Centre Informatique Régional tsirairay, ka betsaka no very zo tsy fidiny. Ny fahadiovan’iny fifidianana iny, sy ny mangarahara ary ny tsy mampitanila azy mihitsy no ipetrahan’ny fanontaniana manoloana izany.

 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT