Actualités

CENI Manohy ny asany na dia tsy maharesy lahatra ny maro aza


  • Alatsinainy 12 Jolay 2010

Hanomboka hitety ireo distrika rehetra manerana ny nosy amin’ity herinandro ity ireo mpikambana ao amin’ny CENI mba ho fanitarana ny asan’izy ireo sy ho fampahafantarana ny lalàna mifehy ny fifidianana any amin’ny faritra.

Fantatra ihany koa fa hanana solontena telo isaky ny birao fandatsaham-bato ity vaomiera mahaleotena momba ny fifidianana ity ; izany no natao moa dia mba hahafany miasa araka ny tokony ho izy. Tsy hisy kosa ny fanendrena avy aty ambony avy hatrany (parachutage) ho an’ireo solontenan’ny CENI any amin’ny distrika fa fifidianana eo anivon’ireo fiarahamonim-pirenena no atao, ka izay lanin’ny besinimaro eo no hotendren’ny CENI foibe. Izao izany vao hanomboka hametraka amin’izay ny rantsa-mangaikany any amin’ny faritra ny CENI ary hanomboka ny fanentanana sy ny fampahafantarana ny olom-panjakana sy ny olom-pirenena ny asa nampiandraiketana azy. Hisy moa ny fiaraha-miasa matotra eo amin’ny CENI sy ny ministera roa ho fanatanterahana izany, dia ny ministeran’ny atitany sy ny ministeran’ny fanapariaham-pahefana. Ny filohan’ny CENI ny maître Hery Rakotomanana moa dia efa nanamafy fa tsy manao politika ary tsy miditra amin’ny resaka politika mihitsy ry zareo fa mijery fotsiny ny lafiny teknika amin’ny fanatanterahana ny fifidianana. Hanohy ny asa nampiandraiketan’ny fitondrana tetezamita azy ihany izany ny vaomiera mahaleotena momba ny fifidianana na dia maro be aza ireo antoko sy fikambanana politika ary vondron’olona tsy resy lahatra tanteraka amin’ny fijoroany. Ny mpanohitra moa hatramin’izao dia tsy mbola nanolotra ireo solontena telo anjarany eo anivon’ny CENI.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT