Actualités

« Cellule d’Intervention Routičre » Hanampy amin’ny fandrindrana ny fifamoivoizana


  • Alakamisy 23 Aprily 2015

Handray anjara amin’ny fandaminana ny fifamoivoizana eto an-drenivohitra ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny Famantarana ny toetr’andro. Omaly dia notolorana moto miisa valo ireo mpitandro ny filaminana izay miasa eo anivon’ny « Cellule d’Intervention Routičre »

 

 na CIR, sampan’asa iray miasa eo anivon’ny minisitera. Miainga amin’ny fitaizana ny mpampiasa ny lalana rehetra no ho andraikitry ny CIR  saingy afaka manasazy sy maka ny taratasin’ny fiara ihany koa izy ireo ho an’ireo  izay tena minia mandika ny lalàm-pifamoivoizana. Ankoatra ny polisim-pirenena sy ny zandarimariam-pirenena ary ny polisy monisipaly izany dia hanampy amin’ny fitaizana ny olona amin’ny  fampanajana ny lalàn’ny fifamoivoizana ihany koa ny CIR. Ankehitriny dia tena mampananosarotra ny fandrindrana ny  fifamoivoizana noho ny fahabetsahan’ny fiara sy  ny faharatsian’ny  lalana ka manabe velarana ny fandikan-dalàna, indrindra ho an’ireo taksibe mpitatitra.

Andry Ratovo 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT