Actualités

CECAM Tsy hijanona ho an’ny tantsaha irery intsony


  • Alarobia 19 Mey 2010

Tsy hijanona ho an’ny tantsaha irery intsony ny CECAM na ny Tahiry sy fampisamborana ifanohanan’ny tantsaha. Roso amin’ny fanitarana ny ambaindainy eto an-drenivohitra ity ivotoerana fampisamboram-bola madinika iray ity ankehitriny, fiaraha-miasa izay hifantoka tanteraka amin’ny sokajin’olona rehetra.

Zavatra telo loha no ifotoran’ny fiaraha-miasa amin’izao fiandohany izao, toy ny fanohanana ireo olona manam-paniriana hanangana trano. Tafiditra ao anatin’izany ireo hanavao na hamarana ny asa fanamboaran-trano. Ao ihany koa ireo hanitatra ny asa fivarotany ankoatra ireo mpanao asa tanana. Ny tanjona moa, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra, dia ny hanohanana ny sokajin’olona rehetra amin’ny fampivoarana ny fari-piainany. Anisan’ny mandray anjara amin’ilay fampahafantarana ireo ivotoerana mpampindram-bola eto an-drenivohitra karakarain’ny EDE sy EDBM etsy amin’ny Antenimieran’ny varotra etsy Antaninarenina ny Cecam. Anio no andro fahatelo hiatrehany izany, hifarana afaka rahampitso zoma. Banky sy ivotoerana mpampindram-bola miisa 7 no mandray anjara amin’izany miaraka amin’ny orinasa zain sy orange. Ho an’ny Cecam manokana dia ny hanovana ny fomba fijerin’ny mponina eto an-drenivohitra azy no tena tanjona kinedriny. Tany amin’ny tontolo ambanivohitra hatrany mantsy no tena nahafantarana ity ivotoerana mpampindram-bola iray ity hatramin’izay. Marihina fa misy ihany koa ny fanofanana ireo mpandraharaha manam-paniriana ny hanitatra sy hanatsara ny asa sahaniny. Mbola ny EDE sy ny EDBM ihany no mikarakara izany. Mahatratra 40 izy ireo no miatrika izany 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Faminaniana vaovaon'i Pr Mailhol
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Amin'ny 2030

  • Fampandrosoana miainga
  • Zoma 24 Aprily 2026

amin’ny famokàrana Nampiharin’ny mpanjanaka

  • Tany eto madagasikara
  • Zoma 24 Aprily 2026

Hofoanana ny tany colons,

  • Business day
  • Zoma 24 Aprily 2026

andiany voalohany

  • NY TENA FIAINAN-DRAMALAGASY
  • Zoma 24 Aprily 2026

MARIO mpitondra lakana

Hijery ny tohiny
FTT