Actualités

CDE Variana amin’ny ady seza ny avara-pianarana Malagasy


  • Alatsinainy 26 Novambra 2012

“Construction sauvage”, izany hoe fanorenana araka izay maha diavolana ny sain’ny tompony no misy eto fa tsy misy rindrandamina mazava araka ny hevitry ny CDE (Club de Développement et Ethique).

 Nanana drafitra momba ny tanàn-dehibe ihany isika fa efa dilan’ny toetrandro satria tamin’ny taona 1950 no nisy farany. Hatreo amin’ny fotoana nananganana ny Cité 67 ha no tena hita tatratra izay drafitra izay ho an’Antananarivo ary ny fotodrafitrasa rehetra naoriana dia tsy nitsinjovana afa-tsy ny fivoaran’ny tanàna ao anatin’ny 10 taona. Izay no mahatonga ny tsy fahampian’ny rano, ny jiro, ny haterin’ny lalana sy havitsy sady hakelin’ny tetezana mampitohy amin’ireo Kaominina manodidina, araka ny fanazavan’ity fiarahamonim-pirenena ity ihany. Tsy mahagaga raha misy fitohanan’ny fifamoivoizana maraina mandrapahariva ny andro eny Anosizato sy Itaosy. Zara raha ny 20%-n’ny mponina eto an-drenivohitra izao no manana rano ao an-tokantrano.

Nanomboka teo amin’ny Repoblika faharoa no tena nanjaka ny gaboraraka satria na dia namboatra fotodrafitrasa aza ny fanjakana dia tsy nihevitra ny zava-misy 20 na 30 taona aty aoriana. Iaraha-mahita rahateo koa ny fisian’ny trano miorina etsy sy eroa eny hatreny ambony fefiloha sy honahona aza eto an-drenivohitra amin’izao. Amin’ny CDE dia tomponandraikitra ireo manampahaizana sy avara-pianarana izay variana amin’ny ady seza fa tsy mahafehy ny politikam-pampandrosoana.

 Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT