In-droa nahemotra ary tsy mety tontosa hatramin’izao ny famindram-pahefana eo amin’ny filoha vaovao sy ny filoha teo aloha eo anivon’ny komity manokana mitantana vonjimaika ny Antenimieran’ny varotra sy indostria Toamasina na CCI.
Efa vonona avokoa anefa ny pitsopitsony, araka ny lalàna ahafahana miroso amin’izany ary efa nidina tany an-toerana in-droa miantaona koa ny ekipan’ny ministeran’ny varotra avy aty an-drenivohitra hanatrika ny lanonana ara-panjakana mifandraika amin’izany saingy tsy manaiky manao io famindram-pahefana io Atoa Mandraina Félix, ilay filohan’ny komity manokana teo aloha. Mampiasa ny fomba rehetra ny tenany mba hifikirana amin’ny toerany. Voalohany dia ny fitoriana napetrany teo anivon’ny filankevi-panjakana ho fampiatoana sy fanafoanana ny didim-pitondrana laharana 24.910 tamin’ny 12 septambra izay manaisotra azy amin’ny toerany sy mametraka an’Atoa Rajaonah Mbola ho filohan’ny komity manokana vaovao eo anivon’ny CCI Toamasina.Tsy nahomby anefa io fitondrany ny raharaha teo amin’ny fahefam-pitsarana io satria nolavin’ny filankevi-panjakana ilay fitoriany araka ny didy nivoaka tamin’ny 02 oktobra ary voarain’Atoa Mandraina Félix tany Toamasina ny 5 oktobra tamin’ny 8 ora maraina ny dika mitovin’ilay didy. Io andro io ihany dia efa nandefa fampandrenesana taminy momba ny fanatontosana ny famindram-pahefana ny 9 oktobra ny Ministera. Noho ny fangatahan’ny lehiben’ny Faritra Atsinanana anefa dia nahemotra ny ampitso, izany hoe ny 10 oktobra ilay fotoana mba ahafahana manao “réquisition” ny Emmo-Reg hitandro ny filaminana eo anivon’ny biraon’ny CCI. Tonga tokoa ny mpitandro ny filaminana tamin’ny fotoana nifanomezana saingy nilaza ny lehibeny fa tsy nahazo baiko momba ny “réquisition” izy ireo ary nilaza fa fitandroana ny filaminana ihany no andraikitra sahanin’izy ireo. Efa nafana anefa ny toe-draharaha satria vao maraina tamin’ny 6 ora dia efa teny an-toerana ny tanora ao amin’ny fikambanana “Tsy misy miala aketo niany” manohana an’i Mandraina Félix sy ny mpiasan’ny CCI izay mankato ny fanapahan-kevitry ny fanjakana.
Tsy vitan’ny nanao fihetsiketsehana manda ny fanesorana an’i Mandraina Félix ireto tanora ireo fa niditra tao amin’ny biraon’ny CCI mihitsy ary nanao rahom-bava ireo solontenan’ny Ministeran’ny varotra izay namita iraka momba ilay famindrampahefana. Sahy nilaza teo anatrehan’ny mpanao gazety sy ilay lehiben’ny mpitandro ny filaminana i Riry Be, lehiben’ny ZATOVO tamin’ny 2002 fa fantany avokoa no misy ny ankohonan’ireo iraky ny Ministera ireo raha manao an-tery ilay famindram-pahefana izy ireo. Nilaza koa i Riry Be fa tsy tokony hokorontanin’ny mpiavy ao Toamasina.
Niaraka taminy hatrany moa i Mandraina Félix izay nanakorontana tao amin’ilay birao sady nanambara avy eo fa tahaka izany izy rehefa tezitra. Noho ny tsy fahafenoan’ny fepetra ara-pilaminana dia rava maina indray ny fivoriana ary tsy fantatra izay tohiny. Ny mahagaga amin’ity raharaha ity dia ny fijerem-potsiny ny zava-misy ataon’ny mpitondra isan-tokony ao Toamasina nefa ny raharaham-panjakana mihitsy no mihitsoka rehefa tsy afa-miasa ny CCI. Marihina fa hanomana fifidianana izay tokony hotontosaina amin’ny faran’ny taona izao no andraikitr’ilay komity vonjimaika ary efa nilaza ny tsy fandraisany anjara amin’izany fifidianana izany Rajaonah Mbola izay zanak’i Toamasina.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.