Actualités

«Casier judiciaire» an-dRavalomanana Tsy azo avoaka intsony


  • Alatsinainy 20 Aogositra 2012

Anisan’ireo tsy mampitovy hevitra ny filoha Ravalomanana sy ny filohan’ny FAT ny andininy faha-20 ao amin’ny tondrozotra mamaritra fa mahazo mody tsy misy fepetra ireo sesitany politika rehetra, ao anatin’izany i Marc Ravalomanana.

 Ny FAT moa mandrangaranga fa misy ny andininy faha-45, milaza ny fahaleovantenan’ny fitsarana amin’ny fampiharana didy. Eo amin’ny sehatry ny lalàna anefa, hoy ny Me Hanitra Razafimanantsoa dia manan-danja kokoa ny andininy faha-20 noho ny faha-45 satria ity farany dia «annexe». Niaraha-nahita, hoy ity mpisolovava ity fa madio ny «casier judiciaire» an’i Marc Ravalomanana. Raha hilatsaka hofidiana koa ny olona iray dia ny “Bulletin Numéro 3” no takiana aminy fa ny laharana 1 sy 2 dia natokana ho an’ny Fitsarana ihany. Araka ny vaovao dia bedy ka tsy maintsy nanao fangataham-panazavana ilay tompon’andraikitra namoaka ny “casier judiciaire” an’i Marc Ravalomanana.

Tamin’iny herinandro iny dia nangataka fanindroany izay “casier” izay ny mpisolovava an’i Marc Ravalomanana saingy tratry ny antsojay. Nasaina nangataka alalana tany amin’ny lehiben’ny fampanoavana manko raha nanao izany ny mpisolovava. Araka ny fanazavan’ny Me Hanitra Razafimanantsoa anefa dia tsy tao an-toerana ity lehiben’ny fampanoavana ka ny mpitsara mpanampy na “substitut” voalohany no nanao sonia ilay fangatahana ary nanome alalana. Tsy neken’ireo tena mpamoaka “casier judiciaire” anefa izany satria hoe tsy manankery ny sonian’ny “substitut”. Niverenan’ny mpisolovava indray ny mpampanoa lalàna izay nilaza fa tsy mahatapaka ny tenany fa tsy maintsy miantso ny eny Faravohitra. Raha nanontanian’ny lehiben’ny fampanoavana moa ny teny amin’ny ministeran’ny fitsarana dia nilaza mazava hoe : «aza omena intsony !», araka ny vaovao nampitain’ny Me Razafimanantsoa hatrany.

Soa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT