Actualités

“Carte Grise biométrique” Amin’ny 31 martsa 2017 no fe-potoana farany


  • Alakamisy 29 Desambra 2016

Na dia nisy aza ny fanemorana ho amin’ny 31 martsa 2017 ny daty farany fahazoana manolo ny taratasy fahazoan-dalana mitondra fiarakodia mahazatra ho lasa « Permis de conduire Biometrique », dia mbola filaharambe hatrany no hita eny Ambohidahy.

Noho ny fangatahan’ny maro, dia nankatoavin’ny minisiteran’ny atitany ihany koa ny fanemorana ho amin’ny 31 martsa 2017 ny fe-potoana farany ahafaha-manolo ny kara-panondron’ny fiara na “Carte grise” ho biometrika. Hatramin’izao dia mbola ny 30% amin’ny fanoloana ihany no vita, ka manodidina ny 130.000 no andrasana hanolo ny fahazoan-dalana hamily raha toa  120.000 ireo tokony hanolo ny kara-panondron’ny fiara ho biometrika, hoy ny lehiben’ny CIM na ny Sampandraharaha misahana ny taratasin’ny fiara eny Ambohidahy, Rajaonarison Charli Hyacinthe. Efa nahatratra 101 kosa ny fahazoan-dalana hamily hosoka sarona ary olona 2 nisoloky ho mahavita ny asa fanoloana no efa nidoboka am-ponja. Hita ho sahirana ihany moa ry zareo avy eo anivon’ny CIM mikasika ity fanovana ity.

Toky R./Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT