Nosokafana tamim-pomba ofisialy omaly tetsy amin’ny Alliance Française Andavamamba haharitra roa andro ilay “ Carrefour de la formation des métiers et de l’emploi” karakarain’izy ireo.
Olona an-jatony sahady omaly andro voalohany no tonga nanohana ny antso ka anisany ireo tanora vao avy niatrika ny fanadinana Bakalôrea farany teo ankoatra ireo mitady asa. Toraka izany koa ireo te-hahalala fotsiny ny fahaizany mifehy sy mampiasa ny teny Frantsay. Tranoheva am-polony no mandray anjara ao, ahitana sekoly ambony maro sy orinasa manana ny maha izy azy. Anisan’ny mandray anjara mavitrika amin’ity hetsika ity ny gazety Job fanta-daza amin’ny fanampiana an’ireo olon-tsotra na orinasa mitady mpiasa hiasa ao aminy, eo ihany koa ireo mitady asa. Manohana azy ireo akaiky amin’izany ny Top Radio amin’ny alalan’ilay fandaharana tolotr’asa vokarin’izy ireo mba hipaka mivantana any amin’ireo mpitady asa ny tolotra misy. Misokatra ho an’ireo mitady ivontoeram-piofanana azo antoka ihany koa ny hetsika.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.