Actualités

Carrefour de la formation des metiers et de l’emploi Hetsika hanampiana ireo mpianatra sy mpitady asa


  • Alatsinainy 10 Jolay 2017

Raikitra ny « Carrefour de la formation des métiers et de l’emploi » karakarain’ny Alliance Française eto Antananarivo.

 

 Ny 28 sy ny 29 jolay ho avy izao no hanatanterahana izany etsy Andavamamba, ahitana mpandray anjara hatrany amin’ny 30 isa. Natao indrindra hanampiana  ireo tanora  avy niatrika ny fanadinana Bakalôrea  mitady tari-dalana entina hanampiana azy ireo ity hetsika ity, izay marihina fa tsy handoavam-bola. Toraka izany koa ireo mitady sekoly ambony azo antoka mba hanohizany ny fianarany arahin’ny tolo-tanana ho an’ireo tanora efa manana diplaoma mitady asa. Orinasa maro ihany koa mantsy no ho avy handray anjara amin’ity hetsika ity izay marihina fa manam-pahatokisana ny Alliance Française noho ny traikefa hananan’izy ireo amin’ny fanofanana ny olom-pirenena mba hahafehy ny teny Frantsay. Hisy moa ny fitsapam-pahaizana miteny Frantsay ho an’ireo izay liana te-hahalala  izany mandritra ireo roa andro ireo raha hahazo tombony kosa ireo efa mahafehy ny tenim-pirenena hafa toy ny anglais, espagnol, Allemand…

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT