Actualités

Carion, Masay, Ambohimanambola … Namono olona ny lozam-pifamoivoizana


  • Talata 26 Mey 2015

Maro ny loza niseho nandritra ny faran’ny herinandron’ny pentekosta iny. Anisan’ny goavana tamin’izany ny nitranga ny alin’ny alahady teo teny Carion, amin’ny lalam-pirenena faha-2.

 

 Fiara Boeing nitondra mpandeha hihazo an’i Toamasina no nivadika ambony ambany sady niala arabe somary tevana, rehefa nofaohin’ny fiara Mercedes 307, voalaza fa nentina olona mamo, nifanena taminy. Mpandeha roa no maty tsy tra-drano, nisy 20 hafa naratra, nisy tapaka.  Io andro io ihany fa teny Masay dia olona iray maty ary roa hafa naratra vokatry ny firimorimon’ny moto nifaoka mpandeha an-tongotra. Omaly, mbola teny an-toerana ihany dia tovolahy iray mpisaka trondro ao amin’ny farihin’i Masay no nahatelina trondro velona ka safotra. Notazoniny tamin’ny nify ilay trondro, ka ankevitry ny nipelika ny tavany ka sondrovaka ary dia voateliny nefa mbola velona.  Nifamonjena teny amin’ny HJRA ilay tovolahy. Teny Nanisana, dia fiara kely iray ihany koa no nitsikasina ambony ambany teo afovoan’arabe. Tsy nisy aina nafoy fa potika ilay fiara. Teny Ambohimanambola indray dia mpitondra scooter no maty nosen’ny fiara ary dia maty tsy tra-drano. Nifandona tamin’ny sarety ilay moto talohan’ny nanitsahan’ny fiara azy.

Nangonin’i Jean D.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT