Actualités

CAPSAT Nohainoina tetsy Ankadilalana ny «Chef de corps»


  • Talata 17 Aogositra 2010

Natao ny fanaovana savahao ny miaramila iray izay niambina ny toby afak’omaly alina. Nitsoaka niaraka tamin’ny basy sy ny bala 30 «cartouche» mantsy io farany. Tsy fantatra mazava izay tanjony tao anatin’izany saingy nisy avy hatrany ny fanadihadiana nisokatra momba ny raharaha.

Anisan’ny nohainon’ny zandary etsy Ankadilalana ny «Chef de corps» amin’ny maha tompon’andraikitra voalohan’ny CAPSAT azy. Nivoatra hatrany anefa ny fitadiavana ary tsy ela fa omaly ihany dia sarona teny Ankadimbahoaka ilay miaramila. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana, araka izany, ity miaramila nandika lalàna ity. Maromaro ihany no zava-nitranga tao anatin’ity toby ity tato anatin’ny volana vitsivitsy izay. Ny farany indrindra ny fisian’ny mpiambina iray maty teo am-perinasa. Ny momba io dia tsy fantatra mazava izay tena antony nitarika ny fahafatesany. Miahiahy ny fianakaviana fa hoe : sao dia noho ny daroka niniana no antony. Eo anivon’ny toby indray dia toa miray feo fa mety ho izy matetika misotro toaka no nitarika ny fahafatesany. Teo alohaloha kelin’izay indray dia nisy ihany koa ny rotaka kely nataon’ny zazavao rehefa tsy azon’ireo tamin’ny fotoana tokony hangalana azy ny tambin-karamany. Io indray dia vetivety dia voafehy rehefa navoaka faran’izay haingana ny vola. Mbola nisy tranga iray ihany koa mahakasika fivoahana basy tao amin’ny toby ihany ary nafenina tetsy Ankadimbahoaka saingy nafenina fatratra io ary voafehy ihany koa rehefa mba tafaverina tsikelikely tao ny ankamaroan’ireo basy. Tamin’ity indray dia nisy kolonely iray notazomina ka natao fanadihadiana. Asa raha izany rehetra izany no nitambatambatra no nitarika ity fihainoana ny lehiben’ny toby ity. 

r.d
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT