Actualités

CAPSAT Naiditra am-ponja ilay miaramila nangalatra basy


  • Zoma 20 Aogositra 2010


Afak’omaly no niakatra teo amin’ny Fampanoavana ilay miaramila nisahana ny fiambenana ny tobin’ny CAPSAT kanjo namoaka basy sy bala tao. Naiditra am-ponja vonjimaika izy rehefa nohainoan’ny mpitsara mpanao famotorana. Raha tsiahivina dia bala 35 «cartouches» no navoakany tao. Haingana anefa dia fantatra izany satria tsy teo intsony izy ny maraina. Natao avy hatrany ny fikarohana azy manerana ny renivohitra. Tetsy Ankadimbahoaka izy no sarona ny andron’iny ihany. Tamin’ity tranga ity, raha hiverenana kely dia nohainon’ny zandary hatramin’ny lehiben’ny toby mihitsy amin’ny maha tompon’andraikitra voalohan’ny toby azy. Raha tsiahivina dia efa fanindroany no nisy tranga toy izao. Tamin’ny voalohany dia kolonely iray mihitsy no voatonona ho tao ambadiky ny famoahana basy iray gony tao amin’io toby io. Naveriny haingana ireo fitaovam-piadiana rehefa sarona ary teo dia niravona ho azy ny raharaha. 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT