Hatairana ny an’ireo namany raha nahita miaramila iray maty tao amin’ny toby miaramila Capsat omaly. Tsy dia mazava ny antony nahafaty azy ity. Afak’omaly mantsy izy mbola natanjaka tsara niaraka tamin’ireo namany. Araka ny voalazan’ireo fianakaviany kosa dia manahy ny amin’ny fisian’ny daroka no antony nahafaty ity miaramila ity. Raha izany tokoa no marina, hoy izy ireo dia tsy hanaiky izy ireo. Raha ny tsiliantsofina mantsy dia anisan’ireo tratran’ny vono ity miaramila ity satria tsy nahavita ny asa nampanaovina azy na “corvée”. Na izany na tsy izany dia milaza ireo fianakaviany fa hametraka fitoriana mba hahafantarana ny marina aorian’ny fanadihadiana. Ny teo anivon’ny fampitam-baovaon’ny miaramila moa dia tsy nandà ny amin’ny fisian’ity fahafatesana miaramila ao amin’ny Capsat ity omaly.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.